1 – Ry Tanindrazanay malala o !
Ry Madagasikara soa
Ny Fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao doria tokoa
(Refrain) Tahionao ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay.
2 – Ry Tanindrazanay malala o !
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay,
‘Zay sarobidy sy mendrika tokoa
3 – Ry Tanindrazanay malala o !
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.








